Baba P. Philippe BUSTINZA,

Ankalazaina anie ny Trinité Masina!

Inona no azoko lazaina mikasika azy?

 

Zoky sady Ray, ary Relijiozy misionera lehibe nahafoy tena be dia be, Nikatsaka lalandava ny fahamasinana amin’ny fiainany tam’ny nataony rehetra. Fihantahantan,ny olona sahirana fa indrindra hoan.ny mahantra. Olon’ny fiaraha-monina ary sensible amin’ny fijaliana, ny tsy fahasalamana sy ny fahorian’ny hafa!

 

Masiaka be ronono izy ary mora mangora-po izaits’izy. Teny tsy afaka tao am-bavany ary naverim-beriny matetika ny hoe hiezaka hanandavorary tena isika amin’ny safidy nataontsika.

 

Tamin’ny Taona 1994 no nahafantarako an’i Baba voalohany fony aho niditra tao am’n’ny postulat tany Tsiroanomandidy. izy no Ministry ny trano tao ary curé ny Paroasy Tsarahasina no Directeur n’ny distrika avaratra.

 

Nanofana anay tamin.ny fianarana ny fombam-piainan’ny fikambanana trinitera no sady nitondra anay nanao tourné tany amabanivohitra. Inona no tsy notovozinay taminy na ara-batana na ara-panahy indrimdra indrindra. Tamin’izay no efa nikenonkenona tamin’ny fananganana ny Province Missionaire any Madagascar ka efa hitanay sahady tamin’ireo journaux espagnols fa izy no nironan’ny eritreritry ny be sy ny maro ho Provincial voalohany an’ity Province vaovao.

 

Teraka ary ny Province tamin’ny 1996 ka izy tokoa no voafidy ho ministre provincial ka ny 8 oktobra 1996 dia izahay no noraisiny hanonona voalohany ny voady teo am-pelan-tanany amin’ny maha provincial azy.

 

Amin.ny maha misonera azy de tsy nijanona teny an-drenivohitra foana izy fa lasa namonjy fanahy maro tany ambanivohitra ambany ravin-kazo tany satria reny tsy miato ny antsoantson’ireo madinika mila famonjena. 60 taona nahafoizana tanindrazana, Ray aman-dReny, havana, mpiray tampo sy ny sakaiza mba hilatsaka hanompo ireo farany ambany sy mahantra indrindra tamin’ny tany misiona.

 

I Kristy mpanompon’ny mahantra no notahafiny hatramin’ny farany. Namokatra relijiozy maro be ary noho izay toem-panahy mahafoy ananany izay dia naniraka relijiozy maro ihany koa taty Europa hanampy sy hamaly babena ireo Province nahafoy missionera maro hoanay!

 

Ny tenako izao dia anisan’ny voalohandohany nirahiny haoaty Frnce (Cerfroid) taorian’ny Voady mandrakizay ny 8 oktobra 2001, ary ny tenany mihitsy no nanatitra ahy tany tam’izany fotoana izany. Tena Ray hoahy i Mompera Philippe satria tena nitantana ahy hatramin’ny nanolorako te mandrakizay tato amin’ny fikambanana.

 

Iza re no tsy nahafantara azy raha mbola tao Tsiroanomandidy na tao Antananarivo eh ary Fianarantsoa izay toerana namitany ny fivahinianany teto an-tany! Porofon’izany araky ny fitantaran’ny Mompera Provincial androany, hatramin’ny alarobia niaviany anyTsiroanomandidy dia tomefy olona ny lalana sy ny fiangonana izay nolalovan’ny vatana mamgatsiakan’i Baba!

 

Tonga nanome voninahitra azy ny ambarantongam-pahefana izay nisy tao Tsiroa manambara izany fa mamy hoditra sy fantatry ny maro rehetra tao izy. Pretra sy Relijiozy maro no tonga nanotrona azy nandritra ny fiaretan-tory fa ny tena nahatalanjona dia efa ho 50 ireo Pretra tonga nanolotra sorom-pisaorana ho fandevenana azy androany Zoma 13 novambre 2020. Profo izany fa tena latsa-paka ny voa nafafiny ka mendrika ny satro-boninahitra nampanantenain’ny Trinité Masina azy.

 

 

Misaotra Baba, tsa ho takatray ny fahamboniana nomen’Andriamanitra anao fa kosa manome toky izahay fa hanaraka ireo torolalana napetrakao dia ny hoe Miezaka manao tsara izay adidy manandrify ary handavorary tena isan’andro amin’ny safidy izay natao sy ho mpanompo fa tsy tompoina an’ireo rahalahy sy anabavintsika farany madinika ireo.

 

Papa Père Philippe BUSTINZA

Bénie soit la Très Sainte Trinité

Qu’es-ce que je peux dire de lui ?

 

Il était en même temps un grand frère et un père, un grand religieux missionnaire, disponible et tout donné. Il a toujours cherché la sainteté dans tout ce qu’il a fait dans sa vie. Plein de compassion et d’affection pour ceux qui étaient dans le besoin mais surtout les plus pauvres. Très social, et sensible aux souffrances des autres dans leur problèmes de santé et leur misère.

 

Sévère mais généreux avec un grand cœur débordant de pitié. Une parole revenait souvent dans sa bouche : nous nous efforcerons à cheminer vers la perfection dans le choix que nous avons fait.

 

Je l’ai connu en 1994 quand je suis entré au postulat à Tsiroanomandidy. Il était le Ministre de la Communauté, Curé de la paroisse de Tsarahasina, et Directeur du District Nord.

 

 

Il nous a formé dans la connaissance du style de vie de l’Ordre trinitaire et nous a souvent amenés avec lui en tournée à la campagne. Nous avons alors beaucoup puisé humainement et spirituellement. Alors que nous étions dans les préparatifs de l’érection de la Province Missionnaire de Madagascar, les journaux et les lettres de la Province d’Espagne avançaient déjà son nom comme favori pour la charge d’être le premier Ministre Provincial de la nouvelle Province.

 

 

La Province ayant été érigée en 1996, il en était élu Ministre Provincial comme prévu. Alors, le 8 septembre 1996, nous étions les tout premiers qu’il a reçus pour les vœux en tant que Provincial.

 

En tant que missionnaire, il ne restait pas toujours à la capitale, mais il est allé sillonner les campagnes pour le soin des âmes, parce qu’il entendait leur cri et leur désir et leur besoin d’être sauvé. Il a quitté sa patrie depuis 60 ans, laissant parents, fratrie, familles et proches pour s’engager dans le service des plus pauvres en cette terre de mission.

 

 

Il a imité le Christ serviteur des pauvres jusqu’à la fin. Il était à l’origine de nombreuses vocations de par sa générosité à partager ce qu’il a, et il a envoyé plusieurs religieux en Europe pour aider, en remerciement et en reconnaissance aux Provinces qui nous ont envoyé jadis des missionnaires !

 

Je fais partie de ces premiers qui étaient envoyés en France (à Cerfroid), après mes vœux solennels le 8 octobre 2001, et il était lui-même venu m’accompagner à cette époque. Père Philippe était pour moi un père, parce qu’il m’a guidé depuis le jour de mon engagement définitif dans l’Ordre.

 

 

Qui ne l’a pas connu à Tsiroanomandidy, à Antananarivo ou à Fianarantsoa où il a vécu les derniers jours de son pèlerinage sur terre ? La preuve en est que selon les dires du Provincial aujourd’hui, depuis mercredi où son corps a été ramené à Triroanomandidy, les gens étaient nombreux pour faire une haie d’honneur là où passait sa dépouille mortelle, dans la rue et à l’Eglise.

 

Les autorités de Tsiroa, toutes catégories confondues sont venues en nombre, lui rendre hommage ; cela témoigne qu’il a été un homme aimé et apprécié par tous. De nombreux prêtres et religieux sont venus l’entourer pendant les veillées funéraires, et c’était étonnant et émouvant de voir plus d’une cinquantaine de prêtres concélébrer pour la messe de ses funérailles le 13 novembre 2020. Cela nous dit que les graines qu’il a semées sont tombées en profondeur dans la bonne terre, et qu’il mérite la couronne promise par La Sainte Trinité.

 

Merci Papa, nous ne serons pas capable d’atteindre la grandeur que Dieu vous a fait don, mais nous vous promettons de suivre les consignes que vous avez laissées de donner le meilleur dans la mission qui nous a été assignée, de travailler en vue de la perfection dans le choix que nous avons fait, de servir et non d’être servi par nos frères et nos sœurs les plus petits.